Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

MIFOHAZA!

Fanontaniana: Matetika ny filma sy fandaharana amin’ny tele no ahitana mpanao mazia, mpilalao ody, na vampira. Araka ny hevitrao, tsy mampaninona ve ny mijery an’izany sa mety hampidi-doza?

Atolory ilay izy: Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana ny olona no liana amin’ny hery miafina, ary iza no tena ao ambadik’izany.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hamahana ny olana eran-tany?

Andinin-teny: Mt 6:10

Ny Tena Marina: Hitondra fiadanana sy filaminana etỳ an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, toy ny efa nataony tany an-danitra.

INONA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA? (Fiverenana mitsidika)

Fanontaniana: [Asehoy ilay fanontaniana eo amin’ny pejy farany.] Hanao ahoana ny fiainana rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra?

Andinin-teny: Sl 37:29; Is 65:21-23

Atolory ilay izy: [Asehoy ny bokikely Vaovao Tsara.] Resahin’ity lesona faha-7 ity hoe inona ny soa ho azontsika rehefa tanteraka ireo fampanantenana ireo. [Manomboha fampianarana Baiboly amin’ilay bokikely.]

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Jereo ny modely ka mamoròna fomba fitory mety aminao.