23-29 Aprily
MARKA 3-4
Hira 77 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Nanasitrana Tamin’ny Sabata i Jesosy”: (10 min.)
Mr 3:1, 2: Nitady hirika hanamelohana an’i Jesosy ny mpitondra fivavahana jiosy (jy 78 § 1-2)
Mr 3:3, 4: Fantatr’i Jesosy fa hentitra loatra izy ireo, sady tsy nanaraka ny Soratra Masina rehefa nampihatra ny lalàna momba ny Sabata (jy 78 § 3)
Mr 3:5: “Nalahelo mafy” i Jesosy “noho ny hamafin’ny fon’ireo” (“tamin-katezerana ... nalahelo mafy” fanazavana Mr 3:5, nwtsty)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Mr 3:29: Inona no dikan’ny hoe manevateva ny fanahy masina, ary inona no sazin’ny olona manao an’izany? (“manevateva ny fanahy”, “meloka noho ny ota mandrakizay” fanazavana Mr 3:29, nwtsty)
Mr 4:26-29: Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny mpamafy natory? (w14 15/12 12-13 § 6-8)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Mr 3:1-19a
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fiverenana Mitsidika Faharoa: (3 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina.
Fiverenana Mitsidika Fahatelo: (3 min. na latsaka) Fidio izay andinin-teny tianao, ary manolora boky na bokikely fianarana Baiboly.
Fampianarana Baiboly: (6 min. na latsaka) bhs 36 § 21-22: Miezaha hanohina ny fon’ilay mpianatra.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Izay Manan-tsofina Hoenti-mihaino, Aoka Izy Hihaino”: (15 min.) Hazavao ny Marka 4:9 (“Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino” fanazavana Mr 4:9, nwtsty). Alefaso ilay video hoe Henoy Tsara ny Torohevitra mba ho Hendry Ianao. Iaraho midinika avy eo ilay efajoro hoe “Henoy ny Torohevitra, ary Raiso ny Anatra”, ao amin’ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, toko 4.
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 18
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 123 sy Vavaka