Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Tena Zava-dehibe Amiko?

Inona no Tena Zava-dehibe Amiko?

Nitolona tamin’ny anjely i Jakoba mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah. Tena zava-dehibe taminy mantsy izany. (Ge 32:24-31; Ho 12:3, 4) Ary ianao? Miezaka mafy ve ianao mba hankatò an’i Jehovah ka hahazo ny fitahiany? Ahoana, ohatra, raha asaina mampitombo ny ora iasanao ianao ka tsy ho afaka hivory? Inona no hataonao? Hitahy antsika i Jehovah, raha manome ny tsara indrindra ho azy isika amin’ny fotoanantsika, ny herintsika, ary ny fananantsika. ‘Fitahiana be dia be mihoatra noho izay ilaintsika aza’ no homeny antsika. (Ml 3:10) Hitari-dalana sy hiaro antsika koa izy, ary hanome izay ilaintsika.—Mt 6:33; He 13:5.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIFANTOHA FOANA AMIN’NY TANJONA ARA-PANAHY, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana ny zavatra tian’ilay anabavy no lasa fisedrana ho azy?

  • Nahoana no mety ho lasa fisedrana ho antsika ny asantsika?

  • Nahoana i Timoty no mbola nila nanana tanjona foana, na dia efa rahalahy matotra aza?—1Ti 4:16

  • Inona no tena zava-dehibe aminao?

    Ahoana no ampisehoantsika fa ny fitoriana no “asa lehibe indrindra” amintsika?