Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 32-33

Miady Mafy ve Ianao mba Hahazoana Fitahiana?

Miady Mafy ve Ianao mba Hahazoana Fitahiana?

32:24-28

Tsy maintsy miezaka mafy isika mba hanao loha laharana an’ilay Fanjakana, raha tiantsika ny hahazo ny fitahian’i Jehovah. (1Ko 9:26, 27) Tokony ho be fikirizana hoatran’i Jakoba isika, rehefa manompo an’Andriamanitra. Asehontsika hoe tena te hahazo ny fitahian’i Jehovah isika raha...

  • manomana tsara ny fivoriana rehetra

  • manompo tsy tapaka

  • manao izay fara herintsika mba hanampiana an’ireo anisan’ny fiangonana

Na mafy be aza ny mahazo anao, dia mivavaha foana amin’i Jehovah mba hampiany. Miezaha koa hanao izay fara herinao amin’ny fanompoana azy, mba hahazoana ny fitahiany.

SAINTSAINO IZAO: ‘Amin’ny inona aho no mbola mila miezaka mba hahazo ny fitahian’i Jehovah?’