Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Ario ny Andriamani-kafa”

“Ario ny Andriamani-kafa”

Mbola tsy nisy lalàna nandrara ny fanompoan-tsampy tamin’ny andron’i Jakoba. Na izany aza, dia fantatr’i Jakoba hoe i Jehovah irery ihany no tokony hotompoina. (Ek 20:3-5) Nanao zavatra àry izy rehefa nasain’i Jehovah niverina tany Betela. Nandidy ny ankohonany rehetra izy mba hanary an’ireo sampy tany amin’izy ireo. Nomen’izy ireo an’i Jakoba izany, ka izy no nanary azy. Anisan’ireny sampy ireny ny kavina, izay mety ho natao ody fiaro. (Ge 35:1-4) Azo antoka hoe nampifaly an’i Jehovah ny zavatra nataon’i Jakoba.

Ahoana koa no hampisehoantsika hoe i Jehovah irery ihany no tompointsika? Tsy tokony hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny fanompoan-tsampy na herin’ny maizina mihitsy isika. Tokony hariantsika, ohatra, izay zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Dinihintsika tsara koa ny fialam-boly ataontsika. Saintsaino, ohatra, hoe: ‘Tiako ve ny mamaky boky na mijery filma misy resaka vampira, mpamosavy, na olona manana hery miafina? Aseho amin’ny fialam-boly ataoko ve hoe zavatra mahafinaritra ny mazia na ny famosaviana?’ Tokony hanalavitra an’izay zavatra rehetra halan’i Jehovah isika.—Sl 97:10.

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘TOHERO NY DEVOLY’, ARY VALIO IRETO:

  • Inona ny olana natrehin’ilay mpianatra Baiboly atao hoe Palesa?

  • Nahoana no tsara ny mangataka ny fanampian’ny anti-panahy, raha manana olana mifandray amin’ny herin’ny maizina isika na ny olona fantatsika?

  • Tohero ny Devoly, ary manatòna an’Andriamanitra.—Jk 4:7, 8

    Inona no tsy tokony hataontsika raha tiantsika ny harovan’i Jehovah?

  • Inona ny fanapahan-kevitra hentitra noraisin’i Palesa?

  • Raha atỳ amin’ny toerana misy antsika, inona no azontsika atao mba tsy hisy heriny eo amin’ny fiainantsika ny demonia?