Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Ampio ‘Izay Manana Toe-po Tsara’ mba ho Lasa Mpanara-dia An’i Jesosy

Hatsarao ny Fanompoanao: Ampio ‘Izay Manana Toe-po Tsara’ mba ho Lasa Mpanara-dia An’i Jesosy

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? I Jehovah no mampitombo ny voan’ny fahamarinana ao am-pon’ireo ‘manana toe-po tsara.’ (As 13:48; 1Ko 3:7) Miara-miasa amin’i Jehovah isika, ka ny olona vonona hampihatra an’izay ianarany no tena ifantohantsika rehefa manompo. (1Ko 9:26) Tokony ho azon’ny olona ampianarina Baiboly hoe tsy maintsy atao batisa izy raha te ho voavonjy. (1Pe 3:21) Ampiantsika izy ireo mba handroso, izany hoe hanao fiovana eo amin’ny fiainany, hitory sy hampianatra, ary hanokan-tena ho an’i Jehovah.—Mt 28:19, 20.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Ataovy azon’ilay mpianatra Baiboly hoe mila mahalala an’i Jehovah izy ary manao izay ankasitrahany. Izany mantsy no tanjon’ilay fianarana.—Jn 17:3

  • Ampio izy mba handresy vato misakana, ohatra hoe fahazaran-dratsy na naman-dratsy. Ho afaka handroso izy amin’izay

  • Ampaherezo foana izy, na mbola tsy vita batisa na efa vita batisa. Ampio koa izy mba hanana finoana matanjaka foana.—As 14:22

JEREO ILAY VIDEO HOE HANAMPY ANAO I JEHOVAH ANDRIAMANITRA, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana ny olona sasany no matahotra ny hanokan-tena sy hatao batisa?

  • Inona no azon’ny anti-panahy atao, mba hanampiana ny mpianatra Baiboly handroso?

  • Andriamanitra hoatran’ny ahoana i Jehovah, araka ny Isaia 41:10?

  • Inona no hanampy antsika hanompo an’i Jehovah, na dia tsy lavorary aza isika?

Ahoana no hanampiantsika ny olona mba ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy?