Fanapahan-kevitra Niorina Tamin’ny Tenin’Andriamanitra
Nilamina ihany ilay olana lehibe. Inona no ianarantsika avy amin’izany?
15:1, 2: Ilaina ny manetry tena sy manam-paharetana. Nitady ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah i Paoly sy Barnabasy, fa tsy niezaka nandamina irery an’ilay olana.
15:28, 29: Mila matoky ny fandaminana isika. Natoky ny fiangonana tany Antiokia fa handamina an’ilay olana i Jehovah, ary hampiasa ny fanahiny masina sy Kristy Jesosy izy amin’izany.
16:4, 5: Tokony hankatò isika. Nihamaro ny olona teo anivon’ny fiangonana rehefa narahina ny tari-dalan’ny filan-kevi-pitantanana.