Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | APOKALYPSY 17-19

Ilay Ady Hamarana ny Ady Rehetra

Ilay Ady Hamarana ny Ady Rehetra

19:11, 14-16, 19-21

Antsoina hoe “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana” i Jehovah, ary i Jesosy indray antsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana.” Nahoana àry i Jehovah no maniraka an’i Jesosy Zanany mba hiady?2Ko 13:11; Is 9:6.

  • Tia ny fahamarinana i Jehovah sy Jesosy, ary mankahala ny ratsy

  • Tsy hiadana mihitsy ny olona ary tsy hanjaka ny rariny, raha tsy ringanina ny ratsy fanahy

  • ‘Miady araka ny fahamarinana’ ny tafik’i Jehovah any an-danitra. Manaporofo an’izany ireo soavaly fotsy. Eo koa ny lamba rongony fotsy sy madio ary tena tsara

Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’io ady io?—Ze 2:3