Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 12-13

Fianarana avy Amin’ny Lalàna Momba ny Habokana

Fianarana avy Amin’ny Lalàna Momba ny Habokana

13:4, 5, 45, 46, 52, 57

Tokony hiaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah isika. Nahoana ny toro lalana iorenan’ny lalàna momba ny habokana no manampy antsika amin’izany?

  • Natoron’i Jehovah an’ireo mpisorona hoe ahoana no hamantarana haingana ny habokana. Tokony hofantarin’ny anti-panahy haingana koa hoe iza no mila fanampiana eo amin’ny lafiny ara-panahy.—Jk 5:14, 15

  • Nila nanapotika an’izay zavatra nisy habokana ny Israelita mba tsy hifindra ilay izy. Tokony ho tapa-kevitra ny hanala na hanajanona an’izay zavatra mety hitarika azy hanota koa ny Kristianina, na dia tiany be aza izany. (Mt 18:8, 9) Mety ho anisan’izany ny fahazarana, namana, na fialam-boly

Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina iray hoe tena vonona hanaiky ny fanampian’i Jehovah izy?