Tsy Maintsy Madio Ireo Manaraka ny Fivavahana Marina
Raha te ho tian’Andriamanitra foana isika, dia tsy maintsy madio amin’ny lafiny rehetra, na ara-batana izany, na ara-pitondran-tena, na ara-panahy. Midika izany hoe ny fitsipik’i Jehovah momba ny fahadiovana no arahintsika, na dia tsy manao an’izany aza ny olona manodidina antsika. Tsy mikasika an’izay heverin’ilay Raintsika any an-danitra hoe maloto isika.
Inona ny soa azoko raha tsy manaraka ny zava-dratsy fanaon’ity tontolo ity aho?