NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Vonona Hanao Fangatahana Hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana ve Ianao?
Mpanompo manontolo andro ve ianao ary 23 taona ka hatramin’ny 65 taona? Salama tsara ve ianao ary afaka manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa? Raha izany no izy, efa nieritreritra ny hanao fangatahana hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana ve ianao? Rahalahy sy anabavy mpitovo ary mpivady an’arivony no efa nameno fangatahana. Mbola mila rahalahy mpitovo maro kokoa anefa isika. Angataho àry i Jehovah mba hampitombo ny fanirianao hampifaly azy sy hanahaka an’ilay Zanany. (Sl 40:8; Mt 20:28; He 10:7) Diniho hoe ahoana no azonao ampihenana ny fotoana iasanao na ny andraikitrao manokana, mba hahafeno fepetra hanatrika azy io ianao.
Inona avy ny karazana fanompoana azo atao rehefa vita ilay fampiofanana? Nisy, ohatra, notendrena hanompo any amin’ny faritany mampiasa fiteny hafa, na handray anjara amin’ny fandaharana manokana hitoriana eny amin’ny toerana be olona any an-tanàn-dehibe. Nisy indray lasa mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana, na mpiandraikitra ny faritra, na misionera. Saintsaino izany, ary enga anie ianao ka hanao hoatran’i Isaia hoe: “Intỳ aho iraho!”—Is 6:8.
JEREO ILAY VIDEO HOE MAZOTO MIJINJA NY VOKATRA NY MISIONERA, ARY VALIO IRETO:
-
Ahoana no ifidianana an’ireo misionera?
-
Inona avy ny zavatra ataon’ny misionera?
-
Inona avy ny fitahiana azo noho ny asa ataon’ny misionera?