Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ESTERA 1-5

Vonona Hiaro ny Vahoakan’Andriamanitra i Estera

Vonona Hiaro ny Vahoakan’Andriamanitra i Estera

Tena nanam-pinoana i Estera sady sahy niaro ny vahoakan’Andriamanitra

  • Mety ho faty ny olona iray raha mankany amin’ny mpanjaka, nefa tsy nantsoiny akory. I Estera anefa efa 30 andro no tsy nantsoin’ny mpanjaka

  • Nasiaka be sady mora tezitra i Ahasoerosy Mpanjaka, ary toa izy ihany angamba ilay antsoina hoe Ksersesy I. Nisy lehilahy, ohatra, nasainy nokapaina nizara roa, ary naseho vahoaka ny fatiny mba ho fampitandremana ny olona. Nesoriny tsy ho mpanjakavavy koa i Vasty, vadiny taloha, rehefa tsy nankatò azy

  • Nila niteny tamin’ny mpanjaka i Estera hoe Jiosy izy. Nila nandresy lahatra ny mpanjaka koa izy hoe ilay mpanolo-tsaina natokisany ange ka mpamadika