Nijaly ho Antsika i Kristy
‘Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona izy. Nihevitra izahay fa niharan’ny loza sy kapoka ary fampahoriana avy tamin’Andriamanitra izy’
-
Natao tsinontsinona i Jesosy ary nolazaina fa nanevateva an’Andriamanitra. Nisy nihevitra hoe nosazin’Andriamanitra izy
‘Sitrak’i Jehovah ny hanorotoro azy ary ny tanany no hanatanteraka an-tsakany sy an-davany izay sitrak’i Jehovah’
-
Mafy be tamin’i Jehovah ny nahita ny Zanany novonoina. Faly anefa izy fa tsy nivadika mihitsy i Jesosy. Tsy marina àry ny fiampangan’i Satana hoe hivadika amin’i Jehovah daholo ny mpanompony. Nandray soa avy tamin’ny soron’i Jesosy koa ny mpanota mibebaka. Nanatanteraka an’izay “sitrak’i Jehovah” àry ny nahafatesany