Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 58-62

‘Ambarao ny Taona Fanehoan’i Jehovah Fankasitrahana’

‘Ambarao ny Taona Fanehoan’i Jehovah Fankasitrahana’

Tsy taona ara-bakiteny ilay hoe “taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana”

61:1, 2

  • Fe-potoana omen’i Jehovah izy io, mba hahafahan’ny mpandefitra manaiky an’ilay fanafahana ambarany

  • Nanomboka tamin’ny taona 29 izy io tamin’ny taonjato voalohany, izany hoe tamin’i Jesosy nanomboka ny fanompoany. Nifarana tamin’ny ‘andro famalian’i’ Jehovah izy io, rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70

  • Taona fanehoana fankasitrahana koa izao. Nanomboka izy io rehefa lasa mpanjaka tany an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914, ary hifarana amin’ny fahoriana lehibe

Omen’i Jehovah an’ireo “hazon’ny fahamarinana” ny vahoakany

61:3, 4

  • Miara-maniry any an’ala ny ankamaroan’ny hazo avo indrindra eran-tany, ary mifanohana izy ireo

  • Misandrahaka be ny fakany sady mifamatopatotra, ka mamaka tsara ireo hazo sady mahatohitra rivo-doza

  • Manome alokaloka ho an’ny zana-kazo ireo hazo avo be. Mampahalonaka ny tany koa ny raviny rehefa mihintsana

Manohana sy miaro an’ireo Kristianina eo anivon’ny fiangonana eran-tany ny “hazon’ny fahamarinana” na ny sisa voahosotra