Tena Hahafaly Antsika ny Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao
Azo antoka fa ho tanteraka ilay fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Isaia toko 65.
Mamorona lanitra vaovao sy tany vaovao i Jehovah, ka tsy tsaroana intsony ny zavatra taloha
Inona ilay lanitra vaovao?
-
Fitondram-panjakana vaovao, izay hampanjaka ny fahamarinana eto an-tany
-
Niorina tamin’ny 1914 izy io, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy
Inona ilay tany vaovao?
-
Vahoaka avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra, izay manaiky hofehezin’ilay fitondram-panjakana vaovao any an-danitra
Nahoana no hoe tsy hotsarovana intsony ny zavatra taloha?
-
Tsy hijaly intsony isika satria hofoanana ny faharatsiana sy fijaliana rehetra
-
Hahafinaritra be ny fiainantsika, ka zavatra mahafinaritra foana no hotsaroantsika isan’andro