NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mifalia Amin’ ny Fanantenanao
Toy ny vatofantsika ny fanantenana. (He 6:19) Manampy antsika tsy ho vaky sambo amin’ny finoana izy io rehefa mafy ny onjam-piainana. (1Ti 1:18, 19) Toy ny hoe misetra onja mahery isika rehefa diso fanantenana, very fananana, marary mafy, nidonam-pahoriana, na miatrika olana hafa mety hampiala antsika amin’i Jehovah.
Hazava tsara ao an-tsaintsika ilay valisoa, raha manana finoana sy fanantenana isika. (2Ko 4:16-18; He 11:13, 26, 27) Mila atao velombelona foana ny fanantenantsika, na ho any an-danitra isika na ho eto an-tany. Saintsaino foana àry ny fampanantenan’ny Baiboly, dia ho falifaly foana ianao na iharam-pitsapana aza.—1Pe 1:6, 7.
JEREO ILAY VIDEO HOE MIFALIA AMIN’ILAY FANANTENANA, ARY VALIO IRETO:
-
Nahoana i Mosesy no modely ho antsika?
-
Inona ny andraikitry ny loham-pianakaviana?
-
Inona ny foto-kevitra azonareo dinihina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?
-
Nahoana no manampy anao hiatrika fitsapana ny fanantenana?
-
Inona no fitahiana tena tsy andrinao?