Mampianatra ny fahamarinana, Kambôdza

TARI-DALANA HO AN’NY FIAINANTSIKA SY NY FANOMPOANA Febroary 2018

Hevitra Azo Resahina

Fanontaniana horesahina: Mbola mahasoa antsika ve ny Baiboly? Mifanaraka amin’ny siansa ve izy io? Mahasoa ve ny toroheviny?

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Fanoharana Momba ny Vary sy ny Tsimparifary

Inona no hevitr’io fanoharan’i Jesosy io? Iza ilay mpamafy, ilay fahavalo, ary ireo mpijinja?

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mahasoa Antsika Ireo Fanoharana Momba Ilay Fanjakana

Nampiasa fanoharana tsotra i Jesosy mba hampitana lesona lehibe. Inona koa no ianarantsika avy amin’ny Matio toko 13?

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

Nasain’i Jesosy nanome sakafo olona an’arivony ny mpianany, nefa mofo dimy sy trondro roa no nananan’izy ireo. Inona no nitranga ary inona no vokatr’izany eo amintsika?

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Hajao ny Rainao sy ny Reninao”

Nasongadin’i Jesosy ilay didy hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” Mbola tokony hanao an’izany ihany ve ny zanaka na dia efa lehibe aza?

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Hevitr’iza no Eritreretinao?

Inona no tsy maintsy ataontsika raha ny hevitr’Andriamanitra no tiantsika harahina, fa tsy ny an’i Satana? Niresaka zavatra telo hanampy antsika tsy ho diso hevitra i Jesosy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Mametraka Fanontaniana

Nahay nametraka fanontaniana i Jesosy mba hampianarana hevi-dehibe samihafa. Ahoana no anahafantsika azy rehefa eny amin’ny fanompoana?

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mitandrema mba Tsy Hanota na Hanafintohina ny Hafa

Nampiasa fanoharana i Jesosy mba hampianarana fa tena ratsy ny manota na manafintohina ny hafa. Inona no mety ho lasa vato mahatafintohina eo amin’ny fiainanao?