Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Hajao ny Rainao sy ny Reninao”

“Hajao ny Rainao sy ny Reninao”

Nasongadin’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany ilay didy hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Ek 20:12; Mt 15:4) Sahy niteny an’izany izy, satria ‘nankatò foana’ an’ny dada sy mamany tamin’ny mbola kely. (Lk 2:51) Ary ahoana rehefa lehibe izy ka fantany hoe ho faty? Nataony azo antoka hoe hisy hikarakara ny reniny.—Jn 19:26, 27.

Manaja ny ray aman-dreniny koa ny tanora kristianina, rehefa mankatò azy ireo sy miresaka aminy amim-panajana. Tokony hanaja ny ray aman-drenintsika foana isika, na firy taona na firy taona. Na efa antitra aza izy ireo, dia mbola mahasoa antsika foana ny fahendreny. (Oh 23:22) Manaja azy ireo koa isika rehefa miahy azy, sy manampy azy ara-bola raha ilaina izany. (1Ti 5:8) Na mbola kely isika na efa lehibe, dia mila mifampiresaka tsara amin’ny ray aman-drenintsika ho fanajantsika azy.

JEREO ILAY KISARISARY HOE AHOANA NO HAHAIZAKO MIRESAKA AMIN’I DADA SY NENY?, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no mety ho sarotra aminao ny miresaka amin’ny dada sy mamanao?

  • Ahoana no hanajanao ny ray aman-dreninao rehefa miresaka aminy ianao?

  • Nahoana ianao no tokony hiezaka hiresaka amin’izy ireo? (Oh 15:22)

    Hahomby ianao eo amin’ny fiainana raha mifampiresaka tsara amin’ny ray aman-dreninao