Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 14-15

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

Nanao fahagagana i Jesosy taloha kelin’ny Paska taona 32. Amin’ireo fahagagana rehetra nataony, dia io ihany no samy resahin’ny Filazantsara efatra.

Nanome modely i Jesosy tamin’izay ary mbola izay ihany no ataony hatramin’izao.

14:16-21

  • Nasain’i Jesosy nanome sakafo an’ilay vahoaka ny mpianany, na dia tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy trondro roa aza izy ireo

  • Nalain’i Jesosy ireo mofo sy trondro, ary nomeny an’ireo mpianany rehefa avy nivavaka izy. Izy ireo indray avy eo no nizara izany tamin’ny vahoaka

  • Nahagaga fa tsy lany ilay izy. Nanome sakafo ho an’olona an’arivony i Jesosy tamin’ny alalan’ny mpianany vitsivitsy

  • Efa nilaza i Jesosy fa hanendry olona izy amin’ny andro farany, mba hanome ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety.’—Mt 24:45

  • Nanendry rahalahy voahosotra vitsivitsy na ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy tamin’ny 1919, mba hikarakara an’ireo “mpanompo ao an-tranony”, na izay rehetra omena sakafo ara-panahy

  • Manahaka ny modely nomeny tamin’ny taonjato voalohany izy, rehefa mampiasa an’ireo rahalahy voahosotra vitsivitsy ireo

Misy antokon’olona ampiasain’i Jesosy hanome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakany. Ahoana no hampisehoako fa manaiky sy manaja azy ireo aho?