Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 16-17

Ny Hevitr’iza no Eritreretinao?

Ny Hevitr’iza no Eritreretinao?

16:21-23

  • Diso hevitra i Petera ka nahitsin’i Jesosy avy hatrany, na dia nitady izay hahasoa an’i Jesosy aza

  • Fantatr’i Jesosy fa tsy tamin’io fotoan-dehibe io izy no tokony ho “tsara fanahy” amin’ny tenany. Tsy tian’i Satana hiambina tsara mantsy izy tamin’io

16:24

Miresaka zavatra telo tsy maintsy ataontsika i Jesosy, raha ny hevitr’Andriamanitra no tiantsika harahina. Inona avy no tafiditra amin’izany?

  • Mandà tena

  • Mitondra ny hazo fijaliantsika

  • Manaraka foana an’i Jesosy