Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Mametraka Fanontaniana

Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Mametraka Fanontaniana

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona.” (Oh 20:5) Toy ny siny anovozana azy io kosa ny fanontaniana voahevitra tsara. Mahatonga ny mpihaino antsika hiresaka izy ireny. Mety hanampy antsika hahalala zavatra sasany koa ny valin-teniny. Nahay nametraka fanontaniana i Jesosy. Ahoana no azontsika anahafana azy?

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Fantaro ny heviny. Nametraka fanontaniana maromaro i Jesosy mba hahalalana ny hevitry ny mpianany. (Mt 16:13-16; be 238 § 3-5) Inona no fanontaniana azonao apetraka mba hahalalanao ny hevitry ny olona?

  • Ampio izy hahay hanatsoaka hevitra. Te hanitsy an’i Petera i Jesosy. Nametraka fanontaniana maromaro àry izy sady nanome valiny azo isafidianana, mba hahatonga azy hahay hanatsoaka hevitra. (Mt 17:24-26) Inona, ohatra, no fanontaniana hanampy an’ilay olona hahay hanatsoaka hevitra?

  • Derao izy. Noderain’i Jesosy ny mpanora-dalàna iray rehefa ‘namaly azy tamim-pahendrena.’ (Mr 12:34) Ahoana no azonao iderana ny olona namaly ny fanontanianao?

JEREO NY FIZARANA VOALOHANY AMIN’ILAY VIDEO HOE ATAOVY NY ASA NATAON’I JESOSY: MAMPIANATRA, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no tsy nety ny fomba fampianatr’ilay rahalahy, na dia marina tsara aza ny fanazavany?

  • Nahoana isika no tsy tokony hanazava hevitra fotsiny?

JEREO NY FIZARANA FAHAROA AMIN’ILAY VIDEO, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no ahitana hoe nahay nametraka fanontaniana ilay rahalahy?

  • Inona koa ireo lafiny hafa azontsika anahafana azy?

Inona no vokatry ny fampianarantsika eo amin’ny hafa? (Lk 24:32)