Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 18-19

Mitandrema mba Tsy Hanota na Hanafintohina ny Hafa

Mitandrema mba Tsy Hanota na Hanafintohina ny Hafa

Nampiasa fanoharana i Jesosy mba hampianarana fa tena ratsy ny manota na manafintohina ny hafa.

18:6, 7

  • Ny hoe “vato mahatafintohina” dia zavatra ataon’ny olona iray na toe-javatra mahatonga azy na ny olon-kafa hanao ratsy, haloto fitondran-tena, na hanota

  • Tsara kokoa ho an’ny olona manafintohina ny hafa ny hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozony, ary halatsaka any an-dranomasina izy

Vato fikosoham-bary

18:8, 9

  • Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy fa aleo mamoy zava-tsarobidy toy ny tanana na maso, raha mahatonga azy ireo hanota izany

  • Aleo mamoy an’ireo zavatra tena tiantsika nefa miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, toy izay manana azy ireo nefa ho any amin’ny Gehena na ho ringana mandrakizay

Inona no mety ho lasa vato mahatafintohina eo amin’ny fiainako, ary inona no azoko atao mba tsy hahatonga ahy hanota na hanafintohina olona?