Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 12-13

Fanoharana Momba ny Vary sy ny Tsimparifary

Fanoharana Momba ny Vary sy ny Tsimparifary

Nampiasa an’ilay fanoharana i Jesosy mba hampisehoana hoe ahoana no hifidianany sy hanangonany ny Kristianina voahosotra rehetra, izay toy ny vary, ary rahoviana izy no hanao izany.

13:24

Nisy “lehilahy iray namafy voa tsara teny an-tanimbariny”

  • Mpamafy: Jesosy Kristy

  • Afafy ny voa tsara: Hosorana amin’ny fanahy masina ny mpianatr’i Jesosy

  • Tanimbary: Izao tontolo izao

13:25

“Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalony namafy tsimparifary”

  • Fahavalo: Ny Devoly

  • Natory ny olona: Maty ireo apostoly

13:30

‘Avelao hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana’

  • Vary: Kristianina voahosotra

  • Tsimparifary: Kristianina sandoka

‘Angony aloha ny tsimparifary vao ny vary’

  • Mpanompo/mpijinja: Anjely

  • Angonina ny tsimparifary: Avahana amin’ny Kristianina voahosotra ny Kristianina sandoka

  • Angonina ao amin’ny trano fitehirizam-bokatra: Angonina ho anisan’ny fiangonan’ny tena Kristianina ny voahosotra

Inona no nampiavaka ny tena Kristianina tamin’ireo Kristianina sandoka rehefa nanomboka ny fotoam-pijinjana?

Inona ny soa azoko rehefa nazava tsara tamiko ny dikan’io fanoharana io?