Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ROMANINA 4-6

‘Andriamanitra Naneho ny Fitiavany Antsika’

‘Andriamanitra Naneho ny Fitiavany Antsika’

5:8, 18, 21

Tena ilaina ny vidim-panavotana mba hanamarinana ny anaran’i Jehovah. Tena ilaina koa izy io mba hanaporofoana fa manana zo hitondra izy sady ny fitondrany no tsara indrindra. Isika indray lasa afaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra. Ho afaka hiaina mandrakizay koa izay rehetra mankatò.

Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka ny vidim-panavotana isika?

  • Manokan-tena sy atao batisa. Asehontsika amin’izany hoe mino ny vidim-panavotana isika ary te ho fananan’i Jehovah

  • Mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Asehontsika amin’izany hoe manahaka an’i Jehovah isika ka tia ny karazan’olona rehetra.—Mt 22:39; Jn 3:16

Inona koa no azoko atao mba hampisehoana hoe mankasitraka ny vidim-panavotana aho?