Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miezaha Hiandry Foana sy Hiaritra

Miezaha Hiandry Foana sy Hiaritra

Efa ela ve ianao no niandry ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra? Miaritra foana ve ianao na dia misy olana aza? (Ro 8:25) Halan’ny olona ny Kristianina sasany, ampijalina, gadraina, na rahonana ho faty mihitsy aza. Ny hafa indray manana aretina mitaiza na efa be taona.

Inona no hanampy antsika hiandry foana rehefa misy olana? Mila mamaky Baiboly isan’andro sy misaintsaina isika, mba hanana finoana matanjaka foana. Mila mitadidy foana ny fanantenantsika koa isika. (2Ko 4:16-18; He 12:2) Tokony hitalaho amin’i Jehovah isika mba hampiany, ary hangataka fanahy masina mba hahazo hery. (Lk 11:10, 13; He 5:7) Manampy antsika ilay Raintsika be fitiavana, mba “hiaritra tanteraka” isika “sady haneho fahari-po amim-pifaliana.”—Kl 1:11.

JEREO ILAY VIDEO HOE TSY MAINTSY ‘MIHAZAKAZAKA AMIM-PAHARETANA’ ISIKA: MATOKIA FA HO AZONAO ILAY LOKA, ARY VALIO IRETO:

  • Inona avy ny zavatra tsy ampoizina mety hahazo antsika? (Mpto 9:11)

  • Nahoana no manampy antsika ny vavaka rehefa miatrika olana isika?

  • Raha lasa voafetra ny zavatra azontsika atao ho an’i Jehovah, nahoana isika no tokony hifantoka amin’izay mbola azontsika atao?

  • Mifantoha amin’ilay loka

    Inona no manampy anao hatoky foana hoe ho azonao ilay loka?