Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Ajanòny ny Fianarana Rehefa Tsy Mandroso Ilay Olona

Hatsarao ny Fanompoanao: Ajanòny ny Fianarana Rehefa Tsy Mandroso Ilay Olona

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Mila miantso ny anaran’i Jehovah ny olona iray raha te ho voavonjy. (Ro 10:13, 14) Tsy izay rehetra mianatra Baiboly anefa no mampihatra an’izay ianarany. Ireo te hampifaly an’i Jehovah sy vonona hiova àry no tena ampiantsika, mba tsy ho verivery fotsiny ny fotoana anompoantsika. Ahoana raha tsy mandroso ny olona iray nefa efa ela izy no nianatra? Tsara raha ajanona ilay fianarana. Aleo mifantoka amin’ireo taomin’i Jehovah hanatona azy sy ny fandaminany. (Jn 6:44) Ahoana raha miova ilay olona, atỳ aoriana, ka hita hoe ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’? Afaka mampianatra azy indray isika.—As 13:48.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Derao izy noho izy te hahalala izay tena ampianarin’ny Baiboly.—1Ti 2:4

  • Ataovy azony tsara hoe tena ilaina ny mampihatra an’izay ianarana.—Lk 6:46-49

  • Resaho aminy ilay fanoharan’i Jesosy momba an’ilay mpamafy. Anontanio izy hoe inona no misakana azy tsy handroso. Miezaha ho tsara fanahy rehefa manao an’ireo.—Mt 13:18-23

  • Hazavao aminy hoe nahoana ianao no manajanona an’ilay fianarana. Fidio tsara izay teny holazainao mba tsy ho tafintohina izy

  • Teneno izy hoe hitsidika azy tsindraindray ianao mba hampahery azy. Ampahafantaro azy koa hoe afaka mianatra indray ianareo, any aoriana, rehefa miezaka handroso izy

JEREO ILAY VIDEO, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no manaporofo fa tsy nampihatra an’izay nianarany ilay mpianatra?

  • Inona no nataon’ilay mpitory mba hahitan’ilay mpianatra hoe mila miova izy?

  • Inona no nolazain’ilay mpitory mba ho azon’ilay mpianatra hoe mbola afaka mianatra indray izy rehefa vonona?