Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ROMANINA 9-11

Ilay Fanoharana Momba ny Hazo Oliva

Ilay Fanoharana Momba ny Hazo Oliva

11:16-26

Manondro inona ilay hazo oliva sy ny vatany ary ny sampany?

  • Ilay hazo oliva: Nanao fifanekena tamin’i Abrahama i Jehovah, ary oharina amin’ny hazo oliva ny fomba nanatanterahany ny fikasany mifandray amin’izy io

  • Ny vatany: I Jesosy. Izy no lehibe indrindra amin’ilay taranak’i Abrahama

  • Ny sampany: Ireo 144 000. Anisan’ilay taranak’i Abrahama koa izy ireo

  • Sampany “notapahina”: Ireo Jiosy nanda an’i Jesosy

  • Sampana “natao grefy”: Ireo Kristianina voahosotra tsy Jiosy

Efa nolazain’ny Baiboly mialoha fa hitondra fitahiana “ho an’ny olona hafa firenena” ilay taranak’i Abrahama, izany hoe i Jesosy sy ireo 144 000.—Ro 11:12; Ge 22:18

Inona no ianarako momba an’i Jehovah, rehefa jerena ny fomba nanatanterahany ny fikasany mahakasika an’ilay taranaka?