Fomba Fitory Modely
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Fanontaniana: Mety ho tsara kokoa ve ny fiainana raha samy mampihatra an’ity torohevitra ity daholo ny olona?
Andinin-teny: He 13:18
Atolory ilay izy: Mampirisika antsika ny Baiboly mba hanao ny marina amin’ny zava-drehetra, izany hoe amin’izay rehetra ataontsika isan’andro. Izany no resahin’ity gazety ity.
NY TILIKAMBO FIAMBENANA (pejy farany)
Fanontaniana: Ahoana ny hevitrao amin’ity fanontaniana ity? [Vakio ilay fanontaniana voalohany.] Misy mihevitra fa rehefa maty ny olona, dia tsy tena hoe maty fa mbola velona any ankoatra any. Misy indray mihevitra fa rehefa maty ny olona, dia tsy antenaina ho velona intsony mihitsy. Ary ahoana ny hevitrao?
Andinin-teny: Mpto 9:5
Atolory ilay izy: Hazavain’ity lahatsoratra ity izay lazain’ny Baiboly momba izany. Mba tianao ve ny hamaky azy ity? Hiverina aho amin’ny manaraka, dia azontsika resahina ilay izy.
VAOVAO TSARA NATAO HO ANAO!
Atolory ilay izy: Tiako ny hanazava aminao hoe izahay afaka mampianatra Baiboly maimaim-poana. Asehon’ity bokikely ity fa afaka mamaly an’izay fanontaniana manahiran-tsaina anao ny Baiboly.
Fanontaniana: Ianao ve mba efa namaky Baiboly? Raha tianao, dia hatoroko anao vetivety ny fianarana azy fa tsy sarotra. [Diniho ny fanontaniana 1 amin’ny lesona 2.]
Andinin-teny: Ap 4:11
MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO
Jereo ireo fomba fitory modely, ka mamoròna fomba fitory mety aminao.