Hisy Mpitondra Hampanjaka ny Fahamarinana
Manome “andriana” na anti-panahy hikarakara ny andian’ondry i Jesosy Mpanjaka
-
Toy ny “fialofana amin’ny oram-baratra” izy ireo, satria miaro ny ondry rehefa misy fanenjehana mafy toy ny oram-baratra sady manampy azy ireo tsy ho kivy
-
Toy ny “rano mikoriana any amin’ny tany karakaina” izy ireo, satria mamelombelona an’izay mangetaheta ny rano madion’ny fahamarinana omeny
-
Toy ny “aloky ny vatolampy lehibe any amin’ny tany ngazana” izy ireo, satria mampahery sy mitari-dalana an’ireo ondry