“Efa Manakaiky ny Fanjakan’ny Lanitra”
-
Hita tamin’ny fitafian’i Jaona sy ny fisehoany ivelany fa nanana fiainana tsotra izy, izany hoe nifantoka tanteraka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra
-
Nanana tombontsoa niavaka izy, satria nialoha lalana an’i Jesosy. Sarobidy lavitra noho ny sorona nataony izany
Ho afaka hanompo bebe kokoa sy ho afa-po isika, raha manana fiainana tsotra. Ahoana no atao raha te hanatsotra fiainana?
-
Fantaro izay tena ilainao
-
Aza mandany vola amin-javatra tsy ilaina
-
Manaova teti-bola mifanaraka amin’ny vola raisinao
-
Amidio na omeo olona na ario izay zavatra tsy ampiasainao
-
Aloavy ny trosanao
-
Ahenao ny fotoana iasanao, raha be loatra
Inona no tanjona azoko tratrarina raha manana fiainana tsotra aho?