NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Aza Manahy Intsony
Hoy i Jesosy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra: “Aza manahy intsony ny amin’ny ainareo.” (Mt 6:25) Tsy lavorary isika sady miaina eto amin’ny tontolon’i Satana, ka ara-dalàna raha mitebiteby indraindray. (Oh 12:25) Nilaza anefa i Jesosy fa tsy tokony hanahy be loatra ny mpianany. Nahoana? Satria ho sarotra kokoa ny hikatsaka aloha an’ilay Fanjakana raha manahy be loatra isika, na dia momba ny zavatra ilaintsika isan’andro aza. (Mt 6:33) Hanampy antsika tsy hanahy tafahoatra koa ny teny hafa nolazain’i Jesosy.
-
Mt 6:26: Inona no ianarantsika rehefa mandinika ny vorona isika? (w16.07 9-10 § 11-13)
-
Mt 6:27: Nahoana no ho reraka sy lany fotoana fotsiny isika raha manahy be loatra? (w05 1/11 22 § 5)
-
Mt 6:28-30: Inona no ianarantsika avy amin’ny lisy any an-tsaha? (w16.07 10-11 § 15-16)
-
Mt 6:31, 32: Nahoana ny Kristianina no tsy mitovy amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity? (w16.07 11 § 17)
Inona no tsy tiako hampanahy ahy intsony?