29 Janoary–4 Febroary
MATIO 10-11
Hira 4 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Namelombelona ny Olona i Jesosy”: (10 min.)
Mt 10:29, 30: Mamelombelona ny mahalala hoe tena miahy antsika tsirairay i Jehovah, araka ny tenin’i Jesosy (“fody”, “vola madinika kely vidy”, “na ny volon-dohanareo aza voaisa avokoa” fanazavana sy “fody” sary Mt 10:29, 30, nwtsty)
Mt 11:28: Mamelombelona ny manompo an’i Jehovah (“mavesatra entana”, “hamelombelona anareo aho” fanazavana Mt 11:28, nwtsty)
Mt 11:29, 30: Ho velombelona isika raha manaiky ny fahefan’i Kristy sy ny tari-dalany (“Ento ny ziogako” fanazavana Mt 11:29, nwtsty)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Mt 11:2, 3: Nahoana i Jaona Mpanao Batisa no nametraka an’io fanontaniana io? (jy 96 § 2-3)
Mt 11:16-19: Inona no tian’ireo andininy ireo holazaina? (jy 98 § 1-2)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Mt 11:1-19
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fiverenana Mitsidika Faharoa: (3 min. na latsaka) Jereo Hevitra Azo Resahina.
Fiverenana Mitsidika Fahatelo: (3 min. na latsaka) Fidio izay andinin-teny tianao sy izay fanontaniana hovalianao amin’ny manaraka.
Fampianarana Baiboly: (6 min. na latsaka) bhs 45-46 § 15-16: Asao hivory ilay olona.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Famelombelomana ho An’ireo “Miasa Mafy sy Mavesatra Entana”: (15 min.) Alefaso ilay video. Iaraho midinika avy eo ireto:
Inona ny zava-nitranga tato ho ato, ka mahatonga ny olona sasany hila famelombelomana?
Ahoana no hamelombeloman’i Jehovah sy Jesosy antsika amin’ny alalan’ny fandaminana?
Nahoana ny Soratra Masina no afaka mamelombelona antsika?
Inona no azontsika tsirairay atao mba hamelombelomana ny hafa?
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 6, efajoro Tonga “Ny Andro Fidiovan’izy Ireo.”
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 138 sy Vavaka