NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mifidy ny Hanompo An’i Jehovah ve Ianao?
Efa mpitory ve ianao sa mpianatra Baiboly? Te hatao batisa ve ianao? Nahoana ianao no tokony hatao batisa? Rehefa manokan-tena sy atao batisa ianao, dia lasa afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah. (Sl 91:1) Mety ho voavonjy koa ianao. (1Pe 3:21) Inona no tokony hataonao raha te hatao batisa ianao?
Ataovy izay haharesy lahatra anao hoe ity no fahamarinana. Raha misy fanontaniana tonga ao an-tsainao, dia manaova fikarohana. (Ro 12:2) Fantaro izay fiovana mila ataonao, ary manaova fanovana mba hampifaliana an’i Jehovah. (Oh 27:11; Ef 4:23, 24) Mivavaha foana mba hahazoana fanampiana. Matokia fa hanatanjaka sy hanohana anao amin’ny alalan’ny fanahiny mahery i Jehovah. (1Pe 5:10, 11) Tsy ho maty antoka mihitsy ianao raha miezaka manao an’izany. Tsy misy tsara hoatran’ny manompo an’i Jehovah.—Sl 16:11.
JEREO ILAY VIDEO HOE INONA AVY NY EZAKA NATAOKO TALOHAN’NY BATISAKO? VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona ny olana natrehin’ny olona sasany talohan’ny batisany?
-
Ahoana no hanananao finoana hanampy anao hanokan-tena ho an’i Jehovah?
-
Nahoana ny olona sasany no nanao dingana mba hahafeno fepetra hatao batisa?
-
Inona no fitahiana ho azon’ireo mifidy ny hanompo an’i Jehovah?
-
Inona no dikan’ny hoe manokan-tena sy atao batisa?