Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Arovy ny Tokantranonao

Arovy ny Tokantranonao

Zava-dehibe amin’i Jehovah ny voadim-panambadiana, ka tsy tiany hisaraka mihitsy ny mpivady. (Mt 19:5, 6) Maro ny mpivady kristianina fakan-tahaka. Tsy misy fanambadiana tonga lafatra anefa. Na izany aza, dia tsy tokony hanahaka ny fanaon’ny olona isika, ka hoe hisintaka na hisaraka raha vao misy olana. Inona àry no azon’ny mpivady atao mba tsy ho rava ny tokantranony?

Ireto misy dingana dimy tena manampy:

  1. Arovy ny fonao, ka aza miadaladala amin’olon-kafa na manao fialam-boly misy fitondran-tena maloto. Manimba tokantrano izany.—Mt 5:28; 2Pe 2:14.

  2. Hatsarao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Ataovy izay azonao atao mba hankasitrahany ny tokantranonao.—Sl 97:10.

  3. Tafio foana ny toetra vaovao. Manaova zavatra tsara madinidinika mba hampifaliana ny vadinao.—Kl 3:8-10, 12-14.

  4. Miezaha hifampiresaka tsara foana, ary hifanaja rehefa manao an’izany.—Kl 4:6.

  5. Miezaha haneho fitiavana rehefa manao ny adidy amin’ny vadinao.—1Ko 7:3, 4; 10:24.

Rehefa manaja ny fanambadiany ny Kristianina dia manome voninahitra an’i Jehovah, ilay namorona azy io.

JEREO ILAY VIDEO HOE TSY MAINTSY ‘MIHAZAKAZAKA AMIM-PAHARETANA’ ISIKA: ARAHO NY FITSIPI-DALAO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Na dia milamina tsara aza ny tokantrano amin’ny voalohany, inona ny olana mety hitranga?

  • Mety hahatsapa ny mpivady hoe tsy mifankatia intsony. Nahoana anefa ny toro lalan’ny Baiboly no mety hanampy?

  • Ampiharo ny toro lalan’ny Baiboly dia ho sambatra ianareo

    Inona ny fitsipika napetrak’i Jehovah ho an’ny mpivady?

  • Inona no tsy maintsy ataon’ny mpivady, raha tiany ho sambatra ny tokantranony?