Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fotoana Azo Hararaotina Anehoana Fitiavana ny Fivoriambe

Fotoana Azo Hararaotina Anehoana Fitiavana ny Fivoriambe

Nahoana no tena tiantsika ny fivoriambe? Hoatran’ny tamin’ny andron’ny Israelita ihany. Amin’io isika no afaka manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny mpiara-manompo an-jatony na an’arivony. Tondraka ny sakafo ara-panahy, ary ankafizintsika ny fiarahana amin’ny namana sy ny fianakaviana. Tiantsika hatrehina daholo àry ireo telo andro.

Rehefa mivory hoatr’ireny isika dia tsy tokony hifantoka amin’izay ho azontsika, fa amin’ny fomba anehoana fitiavana amin’ny hafa koa. (Ga 6:10; He 10:24, 25) Mitady izay hahasoa ny hafa, ohatra, isika raha manokatra varavarana ho azy, na tsy mamandrika toerana ankoatra an’izay tena hipetrahantsika. (Fi 2:3, 4) Afaka mahita namana vaovao isika rehefa fivoriambe. Maninona raha atao tanjona ny miresaka amin’ny olona mbola tsy fantatrao, aloha sy aorian’ny fandaharana ary mandritra ny fiatoana? (2Ko 6:13) Mety ho lasa mpinamana mandrakizay ianareo! Mety haniry hanompo an’i Jehovah mihitsy aza ny hafa, rehefa mahita hoe tena mifankatia isika.—Jn 13:35.

JEREO ILAY VIDEO HOE FIVORIAMBE IRAISAM-PIRENENA “TSY HO LEVONA MANDRAKIZAY NY FITIAVANA”! VALIO IRETO AVY EO:

  • Ahoana no nanehoana fitiavana tamin’ireo solontena, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena 2019?

  • Nahoana no tena miavaka ny firaisan-tsaina sy ny fifankatiavan’ny mpanompon’i Jehovah?

  • Inona avy ireo lafiny mampiavaka ny tena fitiavana, araka ny nasongadin’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana?

  • Ahoana no azonao anehoana fitiavana rehefa manatrika fivoriambe?

    Nandresy ny tena fitiavana tany Alemaina sy Korea Atsimo. Ahoana no ahitana an’izany?

  • Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?