Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hafahana Isika Amin’ny Hoavy, Noho Izay Nataon’Andriamanitra sy Kristy

Hafahana Isika Amin’ny Hoavy, Noho Izay Nataon’Andriamanitra sy Kristy

Inona ny ady mafy ataonao isan’andro? Raim-pianakaviana ve ianao, ary be andraikitra? Sa ianao ray na reny tokan-tena, ka miady mafy vao mahita vola ampy hivelomana? Sa ianao mpianatra ary ampijalin’ny ankizy? Sa ianao mijaly noho ny aretina na ny fahanterana? Manana olana daholo isika. Kristianina maro no tototry ny olana. Fantatsika anefa fa tsy ho ela isika dia hafahana amin’izany rehetra izany.—2Ko 4:16-18.

Haintsika koa hoe azon’i Jehovah tsara ny mahazo antsika, faly izy rehefa tsy mivadika sy miaritra isika, ary hitahy antsika izy amin’ny hoavy. Mampahery antsika izany. (Je 29:11, 12) Ankoatra izay, dia mitady izay hahasoa antsika i Jesosy. Rehefa manao ny asa ampanaoviny isika, dia matoky hoe ‘homba antsika’ izy. (Mt 28:20) Vao mainka isika hatoky ny fampanantenan’i Jehovah sady ho tapa-kevitra ny hiaritra, raha misaintsaina ny fanafahana hoentin’ilay Fanjakana.—Ro 8:19-21.

JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY AN-TSAINA FOANA I JESOSY FA EFA AKAIKY ILAY FOTOAM-PAHORIANA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Nahoana ny olombelona no lasa tafasaraka amin’Andriamanitra, ary inona no vokatr’izany?

  • Hoatran’ny ahoana ny fiainana miandry an’ireo tsy mivadika amin’i Jehovah?

  • Nahoana isika no afaka manana an’izany hoavy tsara be izany?

  • Inona amin’ireo fitahiana ao amin’ny tontolo vaovao no tena tsy andrinao?

Alao sary an-tsaina hoe ao amin’ny tontolo vaovao ianao