Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampianaro An’izay Tokony ho Fantany ny Zanakao

Ampianaro An’izay Tokony ho Fantany ny Zanakao

Mihevitra ny tsara ho ratsy ary ny ratsy ho tsara ity tontolo ity. (Is 5:20) Misy, ohatra, manao zavatra halan’i Jehovah, toy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Mety hampirisika ny zanakao hanao hoatr’azy ny mpiara-mianatra aminy, na ny olon-kafa. Ahoana no hanampianao ny zanakao mba hahay hiatrika olana toy izany?

Ampianaro ny fitsipik’i Jehovah ny zanakao. (Le 18:3) Ampianaro tsikelikely azy izay lazain’ny Baiboly momba ny firaisana, ary ataovy mifanaraka amin’ny taonany izany. (De 6:7) Efa nampianarinao ny zanakao ve ireto: Inona ny fomba mety anehoana fitiavana eo amin’ny lahy sy vavy? Nahoana no zava-dehibe ny manao akanjo maotina? Nahoana ny hafa no tsy tokony hikitikitika ny faritra sasany amin’ny vatany, na hijery azy misolo akanjo na mandro? Inona no tokony hataony raha misy mampiseho aminy sary vetaveta, na mitaona azy hanao zavatra tsy tian’i Jehovah? Tsy hahita olana izy raha ampahafantarina azy mialoha izany. (Oh 27:12; Mpto 7:12) Ho hita hoe sarobidy aminao ilay lovanao avy amin’i Jehovah raha ampianarinao azy izay tokony ho fantany.—Sl 127:3.

JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY MAFY TSARA NY TRANONAO: AROVY AMIN’NY “RATSY” NY ZANAKAO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Nahoana ny ray aman-dreny sasany no misalasala hiresaka amin’ny zanany momba ny firaisana?

  • Nahoana ny ray aman-dreny no tsy maintsy ‘mitaiza ny zanany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah’?—Ef 6:4

  • Ampianaro ny zanakao mba ho voaro

    Inona avy ny fitaovana navoakan’ny fandaminana, mba hanampiana ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany momba ny firaisana?—w19.05 12, efajoro

  • Nahoana ianao no tokony hifampiresaka matetika amin’ny zanakao dieny mbola tsy misy ny olana?