NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Voalamina mba Hitory Amin’ny Olona Rehetra
Alamin’i Jehovah ny vahoakany fahiny sy amin’izao mba hanao ny sitrapony. Miara-miasa ny biraon’ny sampana eran-tany, ny faritra, ny fiangonana, ary ny andia-mpitory, mba hitoriana ny vaovao tsara. Mitory amin’ny olona rehetra isika, anisan’izany ireo miteny vahiny.—Ap 14:6, 7.
Efa nieritreritra ny hianatra teny vahiny ve ianao, mba hanampiana ny olona hahalala ny fahamarinana? Na tsy manam-potoana aza ianao, dia azonao ampiasaina ny programa JW Language mba hianarana fomba fitory tsotsotra. Rehefa avy mampiasa an’ilay izy eny amin’ny fanompoana ianao, dia ho faly hoatran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Gaga mantsy ny olona avy any an-tany hafa rehefa henony tamin’ny fiteniny ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra.”—As 2:7-11.
JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY NAMANAO I JEHOVAH: MIANARA MITORY AMIN’NY TENY VAHINY. VALIO IRETO AVY EO:
-
Rahoviana ianao no afaka mampiasa ny programa JW Language?
-
Inona ny zavatra sasany mampiavaka azy io?
-
Inona avy ny fiteny ampiasain’ny olona ao amin’ny faritaninareo?
-
Inona no azonao atao raha mahita olona liana ianao, nefa miteny vahiny izy?—od 100-101 § 39-41