NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ny Fiainan’i Samoela?
Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Samoela nandritra ny androm-piainany. Tsy mba ratsy toetra hoatran’i Hofinia sy Finehasa zanak’i Ely izy tamin’ny mbola kely. (1Sa 2:22-26) Nanampy an’i Samoela foana i Jehovah rehefa nihalehibe izy. (1Sa 3:19) Mbola nanompo an’i Jehovah foana izy rehefa antitra, na dia tsy mba nanao hoatr’azy aza ny zanany lahy.—1Sa 8:1-5.
Inona no ianarantsika avy amin’i Samoela? Raha tanora ianao, dia matokia hoe fantatr’i Jehovah ny olana atrehinao sy ny fihetseham-ponao. Afaka manampy anao ho be herim-po izy. (Is 41:10, 13) Raha ray na reny ianao ary niala tamin’i Jehovah ny zanakao dia hampahery anao ny tantaran’i Samoela. Tadidio hoe tsy afaka nanery ny zanany efa lehibe mba hanaraka ny fitsipik’i Jehovah izy. Napetrany tamin’i Jehovah ilay olana, dia niezaka ny tsy hivadika mihitsy izy sady nampifaly an’i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra. Mety hiverina amin’i Jehovah ihany ny zanakao raha tsy mivadika mihitsy ianao.
JEREO ILAY VIDEO HOE MIANARA AMIN’IZY IREO: SAMOELA. VALIO IRETO AVY EO:
-
Ahoana no nampisehoan’i Samoela hoe be herim-po izy tamin’izy mbola kely?
-
Ahoana no nampisehoan’i Nomena hoe be herim-po izy?
-
Nahoana i Samoela no modely tsara tamin’izy efa antitra?
-
Nahoana ny ray aman-drenin’i Nomena no modely tsara?