NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Matokia hoe Tia Anao i Jehovah Sady Tsy Mivadika Aminao
Sarobidy amin’i Jehovah ianao. (Is 43:4) Nitaona anao izy mba hanatona azy sy ny fandaminany. Efa an’i Jehovah ianao satria nanokan-tena sy natao batisa. Fananany manokana ianao ka hokarakarainy foana na dia rehefa manana olana aza. Mampiasa ny fandaminany i Jehovah mba hampisehoana hoe tiany ianao sady tsy mivadika aminao izy.—Sl 25:10.
Manao zavatra haingana ny fandaminan’i Jehovah rehefa misy loza. Vao mainka isika hankasitraka ny fitiavan’i Jehovah sy ny tsy fivadihany rehefa mandinika an’izay nataon’ny fandaminana tato ho ato.
JEREO ILAY VIDEO HOE TATITRA AVY AMIN’NY KOMITIN’NY MPANDRINDRA 2019. VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona no nataon’ny Komitin’ny Mpandrindra mba ho vonona tsara ny biraon’ny sampana maneran-tany rehefa misy loza mitranga?
-
Ahoana no nanomezan’ny fandaminan’i Jehovah toromarika sy fanampiana tany Indonezia sy Nizeria?
-
Inona no tianao tamin’izay nataon’ny fandaminana rehefa niparitaka ny COVID-19?