FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?
Ampio ny Olona Ampianarinao Baiboly mba Hivory
Tena zava-dehibe ny fivorian’ny fiangonana satria anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah. (Sl 22:22) Mahafaly ny miara-mivory mba hanompo an’i Jehovah sady ahazoana fitahiana. (Sl 65:4) Matetika ny mpianatra Baiboly no mandroso haingana kokoa rehefa mivory tsy tapaka.
Inona no azonao atao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly hivory? Asao foana izy. Asehoy azy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? Hazavao hoe inona no soa ho azony raha mivory izy. (lff lesona 10) Azonao resahina aminy ny hevitra iray nianaranao tany am-pivoriana, na ny hevitra horesahina amin’ny fivoriana manaraka. Omeo boky na fitaovana hafa ampiasaina any am-pivoriana izy. Jereo izay azo anampiana azy, ohatra hoe mila alaina any an-tranony ve izy. Rehefa tonga mivory ilay mpianatra, dia ho hitanao fa tsy very maina mihitsy izay ezaka nataonao.—1Ko 14:24, 25.
JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIO NY OLONA AMPIANARINAO BAIBOLY MBA HIVORY. VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona no nohararaotin’i Nita mba hanasana an’i Sendra hivory?
-
Nahoana isika no faly rehefa tonga mivory ny olona ampianarintsika Baiboly?
-
Inona no tsapan’i Sendra tamin’izy nivory voalohany?