FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Resaho Amin’ny Ray Aman-dreninao Daholo Izay ao Am-ponao
Nahoana no tokony horesahinao amin’ny ray aman-dreninao izay any an-tsainao? (Oh 23:26) Satria ry zareo no asain’i Jehovah mikarakara anao sy manoro anao. (Sl 127:3, 4) Raha tazoninao ho anao samirery izay manahirana anao dia ho sarotra amin-dry zareo ny hanampy anao. Tsy ho afaka handray soa amin’ny traikefa ananany koa ianao. Diso ve ianao raha tsy resahinao ny zavatra sasany? Tsy voatery. Tandremo fotsiny sao mamitaka ny ray aman-dreninao ianao.—Oh 3:32.
Ahoana no iresahanao amin’ny ray aman-dreninao? Jereo tsara aloha izay fotoana mety aminao sy mety amin-dry zareo. Raha sarotra ny mitady fotoana, dia soraty amin’ny taratasy izay tsapanao ary omeo an-dry zareo. Ahoana raha misy zavatra tian-dry zareo hifampiresahana aminao nefa ianao tsy te hiresaka momba an’ilay izy? Tadidio hoe tena te hanampy anao ry zareo, ary namanao fa tsy fahavalonao. Handray soa mandritra ny androm-piainanao ianao raha miezaka miresaka tsara amin’ny ray aman-dreninao, ary mety handray soa mandrakizay mihitsy!—Oh 4:10-12.
JEREO ILAY VIDEO HOE NY FIAINANAY TANORA: AHOANA NO HAHAIZAKO MIRESAKA AMIN’I DADA SY NENY? VALIO IRETO AVY EO:
-
Tonga saina i Esther sy Partik hoe manao ahoana ry zareo?
-
Inona no azonao ianarana amin’i Jesosy?
-
Ahoana no ampisehoan’ny dadanao sy mamanao hoe mikarakara anao foana ry zareo?
-
Inona avy no toro lalan’ny Baiboly mety hanampy anao hiresaka amin’ny dadanao sy mamanao?