NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hatanjaho ny Finoanao ny Tenin’Andriamanitra
Afaka manova ny fiainantsika ny Tenin’Andriamanitra. (He 4:12) Raha te handray soa avy amin’ny tari-dalana sy ny torohevitra ao anatiny anefa isika, dia mila resy lahatra hoe tena “tenin’Andriamanitra” izy io. (1Te 2:13) Inona no hanampy antsika hino kokoa ny Baiboly?
Mamakia ampahany amin’izy io isan’andro. Rehefa mamaky ianao, dia mitadiava porofo hoe avy amin’i Jehovah ny Baiboly. Diniho, ohatra, ny bokin’ny Ohabolana, dia mariho fa feno fahendrena sady azo ampiharina foana ny torohevitra ao.—Oh 13:20; 14:30.
Halalino ilay foto-kevitra. Ianaro tsara ireo porofo mampiseho hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Jereo ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay foto-kevitra hoe “Baiboly”, dia avy eo ilay hoe “Avy Amin’Andriamanitra.” Izao koa atao raha te ho resy lahatra ianao hoe tsy niova ny hafatra ao amin’ny Baiboly: Diniho ilay Fanazavana Fanampiny A3 ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
JEREO ILAY VIDEO HOE NAHOANA ISIKA NO MINO HOE... MARINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA?, ARY VALIO IRETO:
-
Inona ny zavatra hita eo amin’ny rindrin’ny tempoly iray any Karnak, any Ejipta, ka manaporofo hoe marina ny Tenin’Andriamanitra?
-
Ahoana no ahafantarantsika hoe tsy niova ny hafatra ao amin’ny Baiboly?
-
Mbola misy foana ny Baiboly hatramin’izao. Nahoana izany no manaporofo hoe Tenin’Andriamanitra izy io? —Vakio ny Isaia 40:8