Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miomàna Hiatrika Fitsaboana Tampoka Dieny Izao

Miomàna Hiatrika Fitsaboana Tampoka Dieny Izao

Nahoana? Mety harary na hiditra hopitaly tampoka isika. Ataovy àry izay rehetra azonao atao mba hiomanana, amin’izay rehefa mitranga izany dia hahazo fitsaboana tsara ianao. Manaja ny aina sy ny lalàn’i Jehovah momba ny ra ianao raha manao an’izany.​—As 15:28, 29.

Ahoana no atao?

  • Mivavaha ary fenoy tsara ilay karatra Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana (FMF). a Azon’ny mpitory vita batisa alaina any amin’ny mpikarakara ny boky izy io. Raha manan-janaka mbola tsy ampy taona izy, dia afaka maka an’ilay Karatra Famantarana (ic) ho azy ireo

  • Raha bevohoka ianao, dia mangataha an’ilay Fanazavana ho An’ny Vehivavy Bevohoka (S-401) any amin’ny anti-panahy. Hanampy anao io taratasy io mba handray fanapahan-kevitra tsara momba ny fitsaboana harahina raha sendra misy olana mandritra ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana

  • Raha mila manaraka fitsaboana ianao na mila miditra hopitaly, dia ilazao mialoha ny anti-panahy. Ampahafantaro ny mpitsabo koa hoe tianao raha misy solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah mitsidika anao

Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana? Afaka manampy anao izy ireo hameno an’ilay karatra FMF. Na izany aza anefa dia tsy izy ireo no handray fanapahan-kevitra ho anao, na hilaza ny heviny manokana momba ny fanapahan-kevitra tokony horaisin’ny tsirairay. (Ro 14:12; Ga 6:5) Raha vao ilazanao ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo hoe mety hiatrika olana mifandray amin’ny fampidiran-dra ianao, dia hampahafantatra an’izany avy hatrany amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) ry zareo.

Ahoana no azon’ny KMH anampiana? Efa nampiofanina ireo rahalahy anisan’ny KMH mba hanampy ny mpitsabo sy ny mpahay lalàna hahatakatra hoe ahoana ny fiheverantsika ny ra. Afaka miresaka amin’ny dokoteranao momba an’ireo fitsaboana tsy ampiasana ra ny KMH. Raha ilaina dia afaka manampy anao koa ry zareo mba hahita dokotera vonona hanaja ny fanapahan-kevitrao.

JEREO ILAY VIDEO HOE AHOANA NO HAHAIZANA MANAPA-KEVITRA AMIN’NY FAMPIASANA NY RA?, ARY VALIO ITY:

  • Inona no ianaranao avy amin’ilay video teo ka afaka manampy anao raha mila fitsaboana tampoka ianao, ary asain’ny dokotera ampidiran-dra?

a Afaka manampy anao handray fanapahan-kevitra mifandray amin’ny fitsaboana tsy ampiasana ra ny lesona 39 amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!