Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Araho ny Toro Lalan’ny Baiboly dia Hahomby ny Zanakao

Araho ny Toro Lalan’ny Baiboly dia Hahomby ny Zanakao

Tian’ny ray aman-dreny Kristianina ho faly manompo an’i Jehovah sy handray soa amin’izany ny zanany. Hanampy ny zanany hahomby ry zareo raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly rehefa mampiofana azy ireo.​—Oh 22:6.

  • Ataovy izay hahatonga ny zanakao tsy hihafahafa hiresaka aminao.​—Jk 1:19

  • Miezaha ho modely tsara.​—De 6:6

  • Ataovy tsy tapaka ny zavatra ara-panahy fanaonareo.​—Ef 6:4

JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY MAFY TSARA NY TRANONAO: “ZARO AMIN’IZAY LALANA TOKONY HALEHANY” NY ZANAKAO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Ahoana no ampisehoan’ny ray aman-dreny hoe mahay mandanjalanja izy ireo?

  • Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiharana an’ilay toro lalana ao amin’ny Jakoba 1:19?

  • Inona no azon’ny ray aman-dreny atao rehefa misy olana mipoitra?