NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Manampy Antsika Hiaritra i Jehovah Rehefa Misy Fitsapana
Maro be ny olana mahazo antsika amin’izao andro farany izao. Mety hahatsapa isika indraindray hoe mila tsy ho zaka ny zavatra atrehintsika. Raha miezaka ny ho akaiky an’i Jehovah foana anefa isika dia hanampy antsika hiaritra izy, na dia faran’izay mahavaky fo aza ilay fitsapana. (Is 43:2, 4) Ahoana no anaovantsika an’izany rehefa miatrika fitsapana isika?
Vavaka. Rehefa mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah isika dia hanampy antsika ho tony sy hanana herin-tsaina hiaretana izy.—Fi 4:6, 7; 1Te 5:17.
Fivoriana. Omen’i Jehovah sakafo ara-panahy sy fahafahana hiaraka amin’ny mpiara-manompo isika any am-pivoriana, ary amin’izao indrindra isika no mila an’izany. (He 10:24, 25) Handray soa feno avy amin’ny fanampian’ny fanahy masina isika rehefa manomana sy manatrika fivoriana ary mandray anjara amin’izany.—Ap 2:29.
Fanompoana. Ho mora kokoa amintsika ny hifantoka amin’ny zavatra mampahery rehefa be atao foana amin’ny fanompoana isika. Vao mainka koa isika ho mpinamana be amin’i Jehovah sy ireo mpiara-miasa amintsika.—1Ko 3:5-10.
JEREO ILAY VIDEO HOE HANDRAY ANAO I JEHOVAH, ARY VALIO IRETO:
-
Inona no nanampy an’i Malu ho akaiky an’i Jehovah foana, tamin’izy niatrika fitsapana?
-
Nampahery an’i Malu ny teny ao amin’ny Salamo 34:18. Nahoana koa izy io no hampionona antsika rehefa miatrika fitsapana isika?
-
Manome antsika “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” i Jehovah rehefa miatrika fitsapana isika. Ahoana no ahitana an’izany rehefa jerena ny tantaran’i Malu?—2Ko 4:7