NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mametraha Tanjona ho An’ny Vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana
Tsy andrin’ny vahoakan’i Jehovah ny hiara-hankalaza ny Fahatsiarovana isan-taona. Nanome antsika ny vidim-panavotana i Jehovah, dia te hidera sy hankasitraka azy isika. Afaka manararaotra manao an’izany isika mandritra an’ireo herinandro aloha sy aorian’ny Fahatsiarovana. (Ef 1:3, 7) Miezaka mafy, ohatra, isika mba hanasa olona hanatrika azy io. Misy izao afaka mandamina ny fandaharam-potoanany mba hanaovana mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana Martsa na Aprily, dia miezaka manatratra 30 na 50 ora. Te hampitombo ny fanompoanao ve ianao mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity? Inona no hanampy anao?
Matetika isika no mahavita zavatra betsaka kokoa rehefa miomana mialoha. (Oh 21:5) Izao isika dia efa tokony hanomboka hiomana satria tena efa akaiky ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Raha tianao ny hampitombo ny fanompoanao mandritra an’io fotoana io, dia eritrereto hoe inona no tanjona azonao tratrarina ary ahoana no hanatratraranao an’izany. Angataho i Jehovah avy eo mba hitahy ny ezaka ataonao.—1Jn 5:14, 15.
Inona avy no eritreretinao hatao mba hampitomboana ny fanompoanao mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?