15-21 Janoary
JOBA 36-37
Hira 147 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Nahoana no Azo Atokisana Ilay Fampanantenana Fiainana Mandrakizay?
(10 min.)
Velona mandrakizay i Jehovah (Jb 36:26; w15 1/10 13 § 1-2)
Mahery sy mahay i Jehovah, dia vitany ny mamelona antsika (Jb 36:27, 28; w20.05 22 § 6)
Ampianarin’i Jehovah antsika hoe ahoana no hahazoana fiainana mandrakizay (Jb 36:4, 22; Jn 17:3)
Raha tena mino ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny fiainana mandrakizay isika, dia hahavita hiatrika olana.—He 6:19; w22.10 28 § 16.
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Jb 37:20: Ahoana ny fomba nifampitan’ny olona vaovao sy hafatra tany Palestina fahiny? (it “Fampitana Vaovao sy Hafatra” § 1)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Jb 36:1-21 (th lesona 2)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) AMPAHIBEMASO. (lmd lesona 3, hevitra 3)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) ISAN-TRANO. (lmd lesona 2, hevitra 5)
6. Hazavao ny Zavatra Inoanao
(5 min.) Lahateny. ijwfq 57 § 5-15: Foto-kevitra: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Nenjehina Nandritra An’ilay Famonoana Tambabe Nataon’ny Nazia? (th lesona 18)
Hira 49
7. Miomàna Hiatrika Fitsaboana na Fandidiana
(15 min.) Fiaraha-midinika. Ataon’ny anti-panahy.
Manome fitaovana manampy antsika hankatò ny lalàn’i Jehovah momba ny ra ny fandaminana. (As 15:28, 29) Mampiasa tsara azy ireny ve ianao?
Karatra Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana (FMF) sy Karatra Famantarana (ic): Mampahafantatra ny fanapahan-kevitr’ilay marary momba ny fampiasana ra amin’ny fitsaboana ireo karatra ireo. Azon’ny mpitory vita batisa alaina amin’ny mpikarakara boky ilay karatra FMF. Raha manan-janaka mbola tsy ampy taona izy, dia afaka maka an’ilay Karatra Famantarana ho azy ireo. Tokony ho eny amintsika foana ireo karatra ireo. Aza mangataka andro raha mila mameno azy io ianao na mila manova ny fanazavana ao anatiny.
Fanazavana ho An’ny Vehivavy Bevohoka (S-401) sy Fanazavana ho An’ny Marary Mila Fandidiana na Manaraka Fitsaboana Simika (S-407): Hanampy antsika ho vonona hiatrika fitsaboana ny fanazavana ao anatin’ireo taratasy ireo, anisan’izany ny olana mifandray amin’ny resaka fampidiran-dra. Miresaha amin’ny anti-panahy mba hahazoanao an’izay taratasy ilainao raha bevohoka ianao, na mila fandidiana, na mitsabo kansera.
Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH): Anti-panahy nahazo fampiofanana ny rahalahy anisan’ny KMH. Afaka manome fanazavana mifandray amin’ny resaka ra amin’ny dokotera sy ny mpitory izy ireo. Afaka mifampiresaka amin’ny dokoteranao izy ireo momba ny fitsaboana hafa azo atao, amin’izay ianao tsy ampidiran-dra. Raha ilaina dia afaka manampy anao koa ry zareo mba hahita dokotera vonona hanaja ny fanapahan-kevitrao. Azo antsoina foana ry zareo na andro na alina. Aza mangataka andro fa miresaha amin’ny KMH raha mila miditra hopitaly ianao, na mila fandidiana, na manaraka fitsaboana hafa, ohatra hoe mitsabo kansera. Tokony hiresaka amin’izy ireo ianao na dia tsy misy olana amin’ny resaka fampidiran-dra aza. Tokony hanao an’izany koa ny anabavy bevohoka. Raha mila fanampiana ianao, dia angataho amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo ny nomerao ahazoana ny rahalahy anisan’ny KMH.
Alefaso ilay VIDEO hoe Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly: Ahoana no Hanampian’izy Ireo Anao? Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ity fanontaniana ity avy eo:
Ahoana no azon’ny KMH anampiana anao raha mila fitsaboana ianao na mila fandidiana?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 4 § 10-17