Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

19-25 Febroary

SALAMO 8-10

19-25 Febroary

Hira 2 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. ‘Hidera Anao Aho, Jehovah Ô!’

(10 min.)

Tsara fanahy be amintsika i Jehovah (Sl 8:3-6; w21.08 3 § 6)

Faly isika miresaka ny zavatra mahatalanjona nataon’i Jehovah. Midera azy isika rehefa manao an’izany (Sl 9:1; w20.05 23 § 10)

Midera an’i Jehovah koa isika rehefa mihira amin’ny fo ho azy (Sl 9:2; w22.04 7 § 13)

SAINTSAINO IZAO: ‘Ahoana koa no azoko iderana an’i Jehovah?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 8:3: Inona no tian’ilay mpanao salamo holazaina amin’ilay hoe rantsantanan’Andriamanitra? (it “Rantsantanana” § 2)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Milaza ilay tompon-trano hoe tsy mino an’Andriamanitra izy. (lmd lesona 5, hevitra 4)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Tamin’ilay resakareo teo aloha, dia nilaza ilay olona hoe tsy mino an’Andriamanitra izy nefa vonona handinika porofo hoe misy ny Mpamorona. (th lesona 7)

6. Lahateny

(5 min.) w21.06 6-7 § 15-18: Foto-kevitra: Ampio Hidera An’i Jehovah ny Mpianatrao. (th lesona 10)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 10

7. Ahoana no Atao Rehefa Mitory Tsy Ara-potoana?

(10 min.) Fiaraha-midinika.

Azontsika atao ny mitory amin’ny olona mihaona amintsika isan’andro raha te hidera an’i Jehovah bebe kokoa isika. (Sl 35:28) Mety hatahotra hitory tsy ara-potoana isika amin’ny voalohany. Ho haintsika anefa ny mitory tsy ara-potoana raha mianatra isika hoe ahoana no atao rehefa hanomboka resadresaka sy hoe ahoana no atao mba handeha ho azy ilay izy fa tsy terena. Hahafinaritra antsika mihitsy aza ny manao an’ilay izy avy eo!

Alefaso ilay VIDEO hoe Te ho Vonona Hitory “ny Vaovao Tsaran’ny Fiadanana” ve Ianao? Miezaha Hanombo-dresaka. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ity fanontaniana ity avy eo:

Araka ilay video teo, inona no hanampy anao mba ho hainao kokoa ny hitory tsy ara-potoana?

Ireto misy soso-kevitra hanampy anao hanomboka resadresaka:

  •   Isaky ny mivoaka ny trano ianao, dia mieritrereta fomba azonao anombohana resadresaka. Mivavaha momba an’ilay izy, ary angataho i Jehovah mba hitarika anao any amin’ny olona vonona hihaino anao

  •   Miezaha ho sariaka ary asehoy amin’ilay olona iresahanao hoe miahy azy ianao. Miezaha hahafantatra momba an’ilay olona, amin’izay ho hitanao hoe inona ny foto-kevitra ara-baiboly mety hahaliana azy

  •   Raha tsy mampaninona an’ilay olona, dia alaivo ny nomeraon-telefaoniny ary omeo azy ny anao

  •   Aza kivy raha tsy afaka nitory akory ianao

  •   Eritrereto foana ilay olona aorian’ny resaka nifanaovanareo. Andefaso rohy ahitana andinin-teny na lahatsoratra ao amin’ny jw.org izy mba hampisehoana hoe miahy azy ianao

Andramo izao: Raha misy manontany anao hoe: ‘Nanao ahoana ny faran’ny herinandro?’, dia resaho aminy ny zavatra nianaranao tany am-pivoriana. Azonao atao koa ny milaza aminy hoe mampianatra Baiboly ianao.

8. Zavatra Ilain’ny Fiangonana

(5 min.)

9. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 70 sy Vavaka