Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

22-28 Janoary

JOBA 38-39

22-28 Janoary

Hira 11 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Manokana Fotoana mba Handinihana Zavaboary ve Ianao?

(10 min.)

Naka fotoana mba handinihana ny asany i Jehovah rehefa avy namorona ny tany (Ge 1:10, 12; Jb 38:5, 6; w21.08 9 § 7)

Nanokana fotoana handinihana ny zavatra noforonin’i Jehovah ny anjely (Jb 38:7; w20.08 14 § 2)

Vao mainka isika hatoky an’i Jehovah raha mandinika ny zavatra noforoniny sy mankafy an’izany (Jb 38:32-35; w23.03 17 § 8)

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Jb 39:1-22 (th lesona 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Farano ny resaka rehefa tsy te hiresaka ilay olona. Miezaha anefa ho tsara fanahy. (lmd lesona 2, hevitra 3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(5 min.) ISAN-TRANO. Tamin’ilay resaka nifanaovanareo teo aloha, dia nilaza ilay olona hoe misy havany maty vao haingana. (lmd lesona 9, hevitra 3)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 1: Foto-kevitra: Hisy Fiovana Hitranga Tsy ho ela Raha Dinihina ny Zava-misy Eran-tany sy ny Toetran’ny Olona. (th lesona 16)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 111

7. Hanampy Antsika Tsy Hifantoka Be Amin’ny Tenantsika ny Fandinihana ny Zavaboary

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Lasa nifantoka be tamin’ny olana nahazo azy i Joba rehefa nanisy ratsy azy i Satana sady nendrikendrehin’ny namany telo lahy izy.

Vakio ny Joba 37:14, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

Inona no nanampy an’i Joba tsy hifantoka be tamin’ny olana nahazo azy sy hatoky an’i Jehovah bebe kokoa?

Rehefa mahatsiaro ho tototry ny olana isika, dia manampy antsika ny fandinihana ny zavaboary. Lasa tadidintsika, ohatra hoe lehibe i Jehovah, ary lasa tsy te hivadika aminy isika. Lasa matoky koa isika hoe ho vitany ny hikarakara antsika.​—Mt 6:26.

Alefaso ilay VIDEO hoe Fandinihana ny Bokin’i Joba: Biby. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

Nahoana no manampy anao hatoky kokoa an’i Jehovah iny video iny?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr fizarana 2, toko 5 § 1-8, video fampidirana

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 63 sy Vavaka